<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.P. Smith</author>
<lyrics>[V1]
 Namely mafy loatra
 Ny henatra aman-tahotra ;
 Tsy afaka ny aizim-po,
 Fa mbola tao ny heloka,

[V2]
 Nandroso aho nivavaka :
 Ry Jeso ô, Mpanavotra !
 Izao no angatahiko ;
 Mba mamelà ny heloko.

[V3]
 Izaho tsy hiahotra ;
 Ny tenako atolotro,
 Izay rehetra ananako
 Anao, Mpamela heloka.

[V4]
 Ny tahotra dia levona,
 Ariako ny henatra,
 Satria mandre ny feonao
 Hoe : voavelako ny helokao.

[V5]
 Endrey ! ny hafaliako
 Izay velona ao anatiko,
 Ka sahiko ny hanao hoe :
 Voavelanao ny heloko.</lyrics>
<title>Namely mafy loatra FFPM501</title>
<hymn_number>501</hymn_number>
</song>